Sport

Basket Afroligue 2019 Ny Cospn Malagasy no hisolontena ny Zone 7


  • Alakamisy 13 Desambra 2018

Afa-bela tamin’ny Premium Cobras Seychelles tamin’ny talata teo ny Cospn Madagasikara rehefa nandresy azy ireo tamin’ny 86-70 teo amin’ny lalao miverin’ny fifaninanana CCOI Basket 2018 notontosaina tany Seychelles.

 

 

 Tsiahivina fa tamin’ny isa 67-66 no nandresen’ny Premium  ny Cospn tamin’ny lalao mandroso. Lasan’ny Cospn Madagasikara araka izany ny medaly volamena sy ny amboaran’ny CCOI Basket 2018 ary i Livio  no mpilalao mendrika indrindra nandritra ny fifaninanana. Ny Cospn no hisolotena ny « Zone 7 » amin’ny fifaninanana Fiba Afroligue 2019 izay efa voafaritry ny fandaharam-potoana tahaka izao :

 Fifanintsanam-bondrona :

Vondrona  A : 11-13 janoary 2019

Vondrona  B : 18 - 20 janoary 2019

Vondrona  C : 25-27 janoary 2019

Vondrona  D : 1-3 febroary 2019

Elite 8 :

Lalao mandroso : 8-10 martsa 2019

Lalao miverina : 29-31 martsa 2019

Famaranana 4 :

1/2-dalana : 20 aprily 2019

Famaranana : 21 aprily 2019.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

   

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT