Sport

Basket Africa Women’s Champions Cup 2018 Miditra amin’ny andro faha-5 amin’ny fifanintsanana anio


  • Alarobia 21 Novambra 2018

Raha mandresy an’i Lakers Zimbabwe anio alarobia 21 novambra 2018 ny Mb2All Madagasikara eo amin’ny andro faha-5 amin’ny fifaninana fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika eo amin’ireo ekipa

 

 

 

tompondaka vehivavy taranja basikety baolina, na dia mbola resin’ny  Kpa Kenya  tamin’ny 73 - 65  aza omaly teo amin’ny andro faha-4, dia ho tafita ihany amin’ny dingan’ny lalao 1/4-dalana amin’ity fifaninanana ity izay hotontosaina ao amin’ny kianjan’i Pavilhao do Maxaquene  any Maputo Mozambika hatrany amin’ny zoma 23 novambra 2018. Ekipa 4 isaky ny vondrona mantsy no miakatra amin’io dingan’ny 1/4-dalana io.

Fandaharan-dalao andro faha-5 anio alarobia 21 novambra (ora any Mozambika) :

11:15- Mb2All (Madagascar) #  Lakers (Zimbabwe)     (B)

13:30-Glube Desportivo Interclube (Angola)     # Equity Bank (Kenya)  (A)

15:45-Fap  Basketball  (Cameroun) # V-club (Rdc) (A)

18:00-First Bank Basketball Club (Nigeria)  # I.n.s.s (Rdc)  (B)

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT