Sport

Basket Africa Cup Qualifiers – Madagascar Vonona tanteraka izy 12 mianadahy Malagasy


  • Alakamisy 26 Jolay 2018

4 andro mialoha ny hiatrehana ny lalao basikety Africa Cup Qualifiers etsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, hahazoana hiatrika ny famaranana hatao any Lomé Togo amin’ny novambra 2018, ho an’ny vondrona A misy an’i Madagasikara mpampiantrano ka handraisana vahiny Afrikanina toa an’i Egypte, Ouganda, Rdc, Seychelles,

Tanzanie anjara dia mbola tazana niatrika fanazarantena notarihan’ny mpanazara nasionaly, Randrianarivelo Jean de Dieu, omaly alarobia 25 jolay 2018 izy 12 mianadahy (6 lahy, 6 vavy), Elly-Ricky-Fabrice (Gnbc), Kakay-Walter (Cosfa), Arnold (2Bc).  Joce-Sarobidy-Fanja (Sbbc), Murielle-Manou (Mb2All), Judith (Fandrefiala)  ao amin’ny ekipam-pirenena Malagasy. Hita ho ambony moraly sy vonona tanteraka hiatrika fifaninanana avo lenta izy ireo. Miandry kosa ny fanohanan’ny mpijery basikety Malagasy. Nanomboka tamin’ny 7 jolay teo izy ireo no niatrika fampivondronana notarihan’ny Tale teknika nasionaly Fmbb, Razafiarivony Angelot, miaraka amin’ny Tale teknika lefitra, Mpanazatra nasionaly 1, « Logisticien » 1, « Statisticien » 1 ary Dokotera 1. Anio alakamisy 26 jona raha haingana indrindra, hoy ny fanazavana azo teny Mahamasina no ho fantatra ny anaran’ireo mpilalao 4 avy (lahy sy vavy) tena hisolotena antsika Malagasy amin’ity fifaninanana ity. Na izany aza, hisitraka ny tombontsoa iraisana  homena ny ekipa nasionaly izy 12 mianadahy ireo na fitaovana (efa nahazo kiraro tenisy tamin’ny Atti hatreto) na fikarakarana na « prime » homen’ny FMBB raha tafavoaka ho anisan’ireo 2 voalohany isaky ny sokajy izy ireo.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT