Sport

Basket 3x3 Vao maika ho mafy ny Ankoay lehilahy


  • Zoma 02 Febroary 2024

Mety handray anjara any amin'ny Lalao Olimpika ihany ny Ankoay lehilahy

raha izao fandehany izao. Any Monastir, Tonisia, mantsy izao izy efa-dahy ahitana an'i Elly, Livio, Arnol ary Rick Ley miampy ny mpanazatra Deda Randrianarivelo. Tena fiofanana avo lenta mikasika ny basket 3x3 no miseho any ary hifarana anio raha nanomboka ny 27 janoary teo. Ny FIBA Afrika moa no mikarakara ny hetsika fa ny mpanazatra ny Serbia izay tompondaka 2023, Danilo Lukic, no mandray an-tanana ireo ekipam-pirenena dimy ahitana ny Egypte, Kenya ary Tonizia eo amin'ny vehivavy ary Madagasikara sy Égypte kosa eo amin'ny lehilahy. Tena notsongaina tao anatin'ny maro ary heverina fa ho afaka amin'ny fifanintsanana farany. Tsy vitan'ny hoe hofanina manokana ny mpilalao fa mahazo ny anjarany ihany koa i Deda Randrianarivelo entina hanatsarana hatrany ny fahaizan'ny Ankoay.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT