Basket « 3x3 », tompondakan’i Afrika

Poa-droa ny Ankoay, hiady ny tompondaka eran-tany


  • Alatsinainy 02 Desambra 2024

Nandravara indray ny Malagasy ! Poa-droa ny ekipam-pirentsika eo amin’ny taranja Basketball lalavon’olona telo na

basket 3x3 » teo amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, fifaninana natao teto Madagasikara, tetsy amin’ny Palais des Sports Mahamasina. Samy nandresy avokoa ny Ankoay roa tonta satria montsan’i Madagasikara tamin’ny isa mavesatra 22-03 i Rwanda ho an’ny lehilahy tamin’ny famaranana, raha toa ka nandavo an’i Egypte 20-15 kosa ny vehivavy. Raha tsiahivina, nandravarava ny Ankoay ry Elly Randriamampionona sy ny namany nandritra ity fifaninana ity niainga tany amin’ny lalaom-bondrona hatrany amin’ny fanandavoana an’i Algerie 20-18 tamin’ny manasa-dàlana sy ny fibatana mora foana ny anaram-bonitra tamin’ny famaranana. Nandavo 16-15 an’i Kenya kosa ny Ankoay vehivavy teo amin’ny manasa-dàlana, izay nitovitovy tamin’ny dian’ny lehilahy ihany koa ny fahombiazana. Nody ventiny ny rano nantsakaina, ka isan’ny tombony ho antsika ny filalaovana teto an-tanindrazana, fa teo ihany koa ny traikefa sy fahavononan’ny ekipa Malagasy, izay isan’ny tsara toerana hatrany teto Afrika indrindra fa ny lehilahy. Efa nahazo ny medaly volamena FIBA 3x3 nandritra ny Lalao iraisan' i Afrika, natao tao Rabat MAROC ny taona 2019 izy ireo. Efa Tompondakan'i Afrika nandritra ny Fiadiana ny Amboaran'i Afrika, natao tao Le Caire Egypte ny taona 2023 nahafahana niatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, ka io miverina amin’ny laoniny sy manamafy ny heriny io. Tafaverina amin’izay toerana izay isika, ka hiatrika indray ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany na ho an’ny lehilahy na ny vehivavy.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT