Sport

Basket 3x3 Resin'ny Malagasy ny Frantsay


  • Zoma 02 Jona 2023

Farany vao tena nisy ventiny ny zava-bitan'ny Ankoay izay nandresy ny Frantsay tamin'ny isa 21 noho 20 omaly nandritra ny fiadiana tompondaka erantany amin'ny Basketball lalaovin'olona 3 any Vienne Autriche.

Tena natsiro ilay izy sady natombok'i Fiaro tamin'ny fihetsika tena tsara na ilay atao hoe alley-oop fahita any Amerika. Toa ny hita tamin'ny fihaonana tamin'ny Brezil dia Livio no tena nandravarava tamin'ny tifi-davitra ahazoana isa roa. Tena nety ary dia hafaliana tsy homby tratra no nitsenain'ireo mpijery malagasy tany Vienne izay nanofahofa ny saina maintso fotsy mena.Mialoha an'io kosa dia tsikaritra ho nivoaka sempotra ihany ny Breziliana nanoloana ny Ankoay, ary azo lazaina fa resy tamin'ny moka fohy ny Malagasy . Niondrika tamin'ny isa 17 noho 20 ny Ankoay ary tokony ho 19 noho 20 azy izany saingy nolavin'ny mpitsara ny baolina matin'i Elly farany.Elly izay tsy dia tazana firy satria dia nataon'ny mpifanandrina tsara ambina. Laharana fahavalo eran-tany mahay indrindra moa Elly ka tsy dia mahagaga raha tsara ambina.Fa raha tsy tazany izy dia mbola teo i Livio izay nahavita nanasahala ny isa foana.
Clément RABARY 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT