Basket 3x3

Laharana faha-52 maneran-tany i Madagasikara


  • Alatsinainy 13 Janoary 2025

Nanavao ny laharan'ny firenena amin'ny Basket 3x3 ny Federasiona Iraisam-pirenena amin'ny

Basket-ball (FIBA) omaly tamin'ny 12 Janoary 2025. Mipetraka eo amin'ny laharana faha-52 maneran-tany (138.060 isa), ary faha-5 any Afrika, aorian'i Bénin, Algérie, Ouganda, Burkina Faso, ary Afrika Atsimo ny Ankoay Vehihavy. Rehefa oharina amin'ny laharana tamin’ny 1 Janoary 2025 dia nihoaran’i Burkina Faso sy Afrika Atsimo isika teo amin’ny filaharana Kaontinantaly. Tsara ny mampahatsiahy fa vao avy nanao poa-droa nibata ny tompondakan’i Afrika ny Ankoy lahy sy vavy nandritra ny fifaninana natao teto Madagasikara ny volana desambra teo. Ny laharana avoakan’ny Federasiona FIBA 3x3 dia kajiana amin'ny fanampiana ny isa avy amin'ny laharan'ny mpilalao 25 tsara indrindra amin'ny firenena tsirairay ao amin'ny laharan'ny FIBA 3x3 manokana izay manana kaonty play.fiba3x3.com voamarina. Amin'ny sokajy lehilahy, Madagasikara dia faha-53 (240.810 isa) amin'ny laharan'ny maneran-tany izay tarihan'i Serbie, ary faha-6 aty Afrika, aorian'i Algérie, Bénin, Ouganda, Burkina Faso, ary Nigeria. Amin'ny sokajy vehivavy kosa dia eo amin’ny faha-51 (79.152 isa) amin'ny laharan'ny maneran-tany izay tarihan'ny Shina, ary faha-7 aty Afrika, aorian'i Ouganda, Bénin, Algérie, Burkina Faso, Afrika Atsimo, ary Kenya. Hiatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany 2025 kosa isika na ny lahy na ny vavy noho ny maha tompondakan’i Afrika antsika.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT