Basket 3x3 JO 2024

Ho mafy ny miandry ny Ankoay


  • Talata 23 Janoary 2024

Nivoaka ny vondrona ho an'ireo mpandray anjara amin'ny ahazoana tapakila

amin'ny Lalao Olimpika any Paris. Tena tafalatsaka anaty vondrona tena mafy i Madagasikara. Lituanie, Suisse ary Alemaina no miray vondrona amin'ny Ankoay ny 16 ka hatramin'ny 19 may any Debrecen, Hongria, toerana hanatanterahana lalao rehetra. Tena mafy fa tsy azo afenina saingy miankina be dia be amin'ny fanomanana ihany io. Aza adino fa efa nandresy ny Frantsay ireto Ankoay ireto ary raha ny tombatombana dia Elly Randriamampionona, Livio Ratianarivo ary Arnol Solondrainy ihany no handrafitra ny ekipa. I Rick Ley Loubacki kosa no misolo an'i Fiary toa ny tamin'ny Lalaon'ny Nosy sy ny fiadiana izay ho tompondakan'i Afrika farany teo. Ny tanjona hoy Deda Randrianarivelo dia ny hahatafita any Paris ka tsy maintsy manomana fatratra dieny izao. Ny olana kely anefa dia mbola milalao any amin'ny rafitra 5x5 ihany ireo mpilalao ireo na any amin'ny klioba na any amin'ny ekipam-pirenena. Mety hanimba azy ireo anefa izany raha mitohy satria sarotra ny manenjika bitro roa.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT