Basket 3x3

Ho any Shanghai ny ekipa Malagasy


  • Alarobia 11 Oktobra 2023

Raikitra indray ity! Taorinan'ny nahazoan'ny ekipa malagasy tany amin'ny Wuxi Challenger

ny laharana fahaefatra ny 22 sy 23 jolay teo ary tafiditra amin'ny World Tour Masters dia hanainga anio ho any Shanghai indray ny ekipa malagasy eo amin'ny basket 3x3.Antananarivo moa no anarana entina fa dia mbola i Deda Randrianarivelo ihany no mpanazatra ary izy efa-dahy izay nahazo ny medaly volamena tamin'ny Lalaon'ny Nosy farany teo no mandrafitra ny ekipa. Ankoatra an'i Elly Randriamampionona dia misy an'i Rick Ley Loubacki, Livio Ratianarivo sy Solondrainy Arnol. Ny 14 sy 15 oktobra izao moa no hanaovana ny lalao izay tafiditra amin'ny fanomanana ny tompondakan'i Afrika sy ny fifanintsanana amin'ny Lalao Olaimpika any Paris Mbola ho sarotra ny miandry ny Malagasy amin'ity indray mitoraka ity satria ankoatra ny Sinoa mpampiantrano dia ho avy koa ny Be Kintana, Japon ary Serbia izay tsy zoviana amin'ireo mpakafy basket 3x3. Fanomanana anefa no hatao ka tokony hilalao malalaka ry Elly tahaka ny nandreseny ny Frantsay tany amin'ny fiadiana ny tompondaka eran-tany. Tombony ny fananana an'i Rick Ley izay tena manan- talenta manokana rehefa manao alley hoop ilay mampitsanga ny mpijery. Ny basket 3x3 rahateo dia fampisehoana no betsaka.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT