Basket 3x3 -Amboaran'i Afrika

Handray anjara ny Malagasy


  • Talata 21 Novambra 2023

Taorian'ny lalao nataony tamin'ny fiadiana ny Amboara eran-tany farany sy ireo lalao iraisam-pirenena teo aminlny

basket 3x3 dia tafiditra ho isan'ireo ekipa tena atahoran'ny maro ny Ankoay lehilahy. Hihaona any Egypta ny 1 ka hatramin'ny 3 desambra izao mantsy ireo sangany aty Afrika lahy sy vavy. Raha mbola mafimafy anefa ny miandry ireo vehivavy izay miray vondrona amin'ny Kenya, Bénin, Maroc ary Nigeria dia mety ho fanamafisana ny toerany fotsiny ihany ny an'i Livio, Elly, Fiary ary Rick Ley amin'ity indray mitoraka ity. Ry zareo rahateo no tompondakan'i Afrika sady medaly volamena tany aminlny Lalao Afrikanina farany. Tsy misy dinika fa na ny Frantsay aza nanaiky azy ireo ka vao maika ve fa Bénin, Kenya, Maroc ary Mali izay miray vondrona aminy. Indrindra fa mbola mijanona ho mpanazatra ihany koa i Deda Randrianarivelo. Raha eo amin'izay lehilahy izay dia ahitana an'i Egypta, Alzeria, Ouganda, Sénégal ary Nigéria ny vondrona ilany. Izany hoe fitenena mbola tsy nandresy ny Malagasy hatramin'izay. Asa anefa izay avoakan'ireto Egyptianina ireto fa an-tanany izy no milalao ary be mpanohana. Fa na izany aza dia misy Malagasy maromaro koa ao Le Caire ao.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT