Sport

“Basket 3 x 3 As du Quartier” andiany faha-5 Asm sy Fantastic ary Mb2all no nahery


  • Talata 28 Mey 2019

Nandritra ny roa andro, sabotsy 25 sy alahady 26 mey 2019 teny amin’ny kianjan’Analamahitsy Cité, no natontosana ny fifaninanana basikety 3 x 3

 

 

andiany faha-5 nokarakarain’ny fikambanana ”As du Quartier” tarihan’ny filohany Randrianarisoa Mahery Tiana izay manana ny tanjona hampiroboroboana ny basket 3 x 3 eto  Antananarivo sy manerana an’i Madagasikara ary fanentanana ny boaikely hifantokoa amin’ny fitiavana ny lalao basikety amin’ny ankapobeny. Ekipa 32 no nandray anjara  tamin’ity andiany faha-5 ity (12 sokajy senior lehilahy, 08 sénior vehivavy ary 12 U 18 zatovolahy). Amin’ny efa andiany faha-5 niatrehana ny fifaninana, hoy Mahery Tiana, dia mitombo ihany koa ireo mpanohana ny hetsika noho ny fahatokisany ny mpikarakara fa ankoatra ny Fmbb sy Telma mpiahy sy mpanohana ofisialy dia tao ny Sodimilk, Wellbeing, Starbalm, Gasy Mpitifa, Snikers ary ny  Sport Club Ampefiloha.  Nahery tamin’ity andiany faha-5 ity ny Asm (senior lehilahy ) sy ny Fantastic (senior vehivavy) ary ny Mb2All U 18 lehilahy araka ny vokatry ny famaranana : Senior lehilahy- The 4  14 -  15  ;  Senior Vehivavy -Fantastic 16 – 6  NASL  ;  U18L- MB2ALL 12 -  7 LSFA. Marihana fa nisy ihany koa fampisehoana niaraka tamin’ny  “My men Kaid” sy  “2Tsi ao ami’ny  tarika 90”s ary  ny “Eclipse avy ao am Kolotsaina Mainty” nanafana ny dingana famaranana.

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT