Sport

Basket 3 x 3 Afrique Naseho omaly tetsy Mahamasina izy 5 mirahalahy


  • Sabotsy 27 Oktobra 2018

Nasehoan’ny Federasiona Malagasin’ny taranja basikety baolina tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina omaly zoma 26 oktobra ireo mpilalao 5 mirahalahy amin’ny 6 handrafitra ny ekipa nasionaly Malagasy basket 3 x 3

 

 

hanoman-teny hiatrika ny andiany faha-2 amin’ny Afrobasket 3 x 3 ho tontosaina any Lomé Togo ny 9 ka hatramin’ny 11 novambra 2018. Nambaran’ny filohan’ny federasiona, Ramaroson Jean Michel, tamin’izany fa efa nalefan’izy ireo any amin’ny Fiba Afrika ny « engagement technique » amin’ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ity dingana famaranana basket 3 x 3 ity.  4 hisafidianana amin’izy 6 mirahalahy voahantso no fantatra fa hisolontenantsika amin’ity lalao ity : Elly Randriamampionona (mbola hangatahana amin’ny zandarimaria ny hamotsorana azy hilalao), Mandimbison Fabrice, Ratianarivo Livio, Loubacky Rick-Ley,  Rsakoton  Amed (Zezy), Solondrainy Arnold.

Ntsoavina Evariste

 

 

.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT