Sport

Basikety U 16 Analamanga Tompondaka ny Mb2All lehilahy sy Sepa 67 ha vehivavy


  • Zoma 20 Septambra 2019

Tontosa omaly alakamisy tetsy amin’ny kianja ivelan’i Mahamasina ny famaranana basikety lahy sy vavy fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga 2019 sokajy U 16.

 

 

 

 Voahosotra ho tompondaka tamin’izany ny ekipa zatovovavin’ny Sepa 67 ha nandavo ny Fandrefiala 46-24 sy ny ekipa zatovolahin’ny Mb2All nandresy ny Dtsc 64-61. Laharana faha-3 teo amin’ny zatovovavy ny Jcsa nandresy ny Mb2All 50-43 ary teo amin’ny zatovolahy ny Fandrefiala nandavo ny Asa 79-64. Rahampitso sabotsy21 septambra atoandro kosa, eny amin’ny kianja Firaisankina 67 ha, no hanatanterahana ny lalao famaranana ho an’ny sokajy U 18 ka eo amin’ny vehivavy : Mb2All # Fandrefiala ary eo amin’ny lehilahy Dtsc # Asa.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT