Sport

Basikety U 14 zazalahy Tafaverina eto Iarivo ny DTSC


  • Alakamisy 30 Aogositra 2018

Tafaverina eto Iarivo toerana misy ny foibeny, ny talata 28 aogositra maraina, ny delegasiona niaraka tamin’ny klioban’ny DTSC « Dream Team Sporting Club » Analamanga U 14 zazalahy rehefa avy nivahiny herinandro tany Nosy-Be

 

Hellville niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara 2018 tany an-toerana. Nitondra voan-dalana lehibe izy ireo dia ny amboara maha tompondaka 2018 azy rehefa nandavo ny Ascut Atsinanana tompondaka 2017, 68-66, teo amin’ny famaranana. Tsy tongatonga ho azy ny vokatra azo fa nisy ny ezaka be dia be nataon’ireo mpilalao tamin’ity taom-pilalaovana ity, hoy ny filoha lefitry ny klioba, Ravaka Ratsararay, teny Manakambahiny afak’omaly ary nanampy betsaka azy ireo koa ireo raiamandreny izay hisaorana manokana etoana, hoy izy. Sady tompondakan’ny seksiona Antananarivo no tompondaka rejionaly ary tompondakan’i Madagasikara ity U 14 an’ny DTSC ity. Henjana ny lalao tany Nosy-Be, hoy ireo mpanazatra mirahalahin’ny Dtsc, Roger sy Lala, indrindra ny famaranana nifanatrehana tamin’ny Ascut fa nezahina nofehezina ny “discipline” sy teknika nomena an’ireo mpilalao izay tarigetran’ny klioba rahateo ka izao nahazoam-bokatra izao. Taona zina ho anay DTSC ity taona ity, hoy ihany Atoa Ratsararay fa tompondakan’ny seksiona sy rejionaly ary Madagasikara ihany koa ny sokajy U 20 ary mbola vao anaty fifaninanana ny U 16 ary mandray anjara amin’ny Critérium Analamanga nanomboka omaly 29 aogositra 2018 etsy amin’ny kianja ivelan’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina koa ny U 12 DTSC. Nanjakan’Analamanga tamin’ny ankapobeny ny andro voalohany tamin’ity fifaninanana ity raha ny vokatra azo no jerena. Lalao 21 indray no harahina anio alakamisy 30 aogositra izay hanatanterahana ny lanonam-panokafana an’ity hetsika ity ny tolakandro.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT