Sport

Basikety U 14 sy Vétéran - Analamanga Mb2All , Dtsc , Jcba ary ny Bbcm no tompondaka


  • Alatsinainy 06 Aogositra 2018

Tontosa omaly tolakandro tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ireo lalao famaranana 4, sokajy U 14 zazalahy sy zazavavy ary sokajy veteran lahy sy vavy ihany koa.

Voahosotra ho tompondakan’ny ligin’Analamanga tamin’izany ny Mb2All U 14 zazavavy nandresy ny Jcba 46-27, ny Dtsc U 14 zazalahy nandavo ny Jcba ihany koa 80-37, ny Jcba veteran vehivavy nandresy ny Bbc 37-27 ary ny Lrbba  veteran lehilahy nandavo ny Bbcm  64-47. Afa-po izahay ligy, hoy ny filohany Rasolomalala Fidy teny Mahamasina omaly, tamin’ny fahatanterahana sy fahatomombanan’ny fifaninana rehetra ka hisaorana ny rehetra izany, ireo klioba sy mpilalao, mpanazatra, mpijery, mpanohana samihafa ary indrindra indrindra ireo ray aman-dreny teny nanohana ankitsim-po ireo zanany. Hita, hoy ity filohan’ny ligin’ny basikety eto Analamanga ity, fa niakatra ambony tokoa ny haavo teknikan’ireo mpandray anjara ka tsy nifalavitra mihitsy ny elanelan’isa azon’ireo mpifanandrina tamin’ny ankapobeny. Ny fiadiana ny ho tompondakan’ny U 16 sy U 18 indray no fifaninanana manaraka ho karakarain’ny ligy.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT