Sport

Basikety TOURNOI FIHAVANANA Analanjirofo Tompondakan’ny andiany faha-4 ny 2Bc ny Ascut


  • Alatsinainy 06 Janoary 2020

Tontosa ny faran’ny herinandro teo tany Fenoarivo Atsinanana ny fifaninana basikety Tournoi Fihavanana andiany faha-4 nokarakarain’ny ligy rejionalin’ny basikety any Analanjirofo tarihan’ny filohany, Rtoa Juliana Rabarijaona.

 

Tamin’ny vokatra ankapobeny azo dia fantatra fa nanao poa-droa ny ekipan’ny 2 Bc Vakinankaratra fa norombahin’izy ireo avokoa ny anaram-boninahitra Tompondakan’ny Tournoi Fihavanana andiany faha-4 teo amin’ny sokajy U 18 zatovolahy sy teo amin’ny sokajy Open vehivavy : Vbc # Texas Rangers (85-67), Cmmf # 2Bc (31-38).  Ny ekipan’ny Ascut Toamasina kosa no nandrombaka ny anaram-boninahitra teo amin’ny sokajy Open lehilahy : Ascut # 2Bc (90-81). Voahosotra ho mpilalao mendriky ny sokajy U 18 lehilahy i Tahiry Bolo n°4 avy amin’ny klioban’ny 2Bc. I Stéphanie n°12 avy amin’ny klioba Kinger’s Soanierana Ivongo kosa teo amin’ny sokajy Open vehivavy ary Olivier n°13 avy amin’ny klioban’ny Ascut Toamasina kosa teo amin’ny sokajy Open Lehilahy. Voahosotra ho mpampidi-baolina mendriky ny fifaninanana kosa, teo amin’ny sokajy U 18 zatovolahy i Faniry Stéphano n°8 avy amin’ny klioban’ny 2Bc nahatafitra 123 isa, teo amin’ny sokajy Open vehivavy i Fanjanirina n°4 avy amin’ny klioban’ny 2Bc nahatafiditra isa 82, ary teo amin’ny sokajy Open lehilahy i Danivelo n°12 avy amin’ny Ascut nahatafiditra 113 isa.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT