Sport

Basikety Tompondakan’i Madagasikara Raikitra any Toamasina ny N1 B vehivavy sy U 20 zatovolahy


  • Talata 22 Mey 2018

Raikitra any Toamasina nanomboka tamin’ny saobotsy 19 mey teo ka tsy hifarana raha tsy ny alahady faha-27 mey 2018 ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja basikety baolina sokajy N1 B vehivavy sy sokajy U 20 zatovolahy. Ekipa 12 nosokajina ao anaty vondrona 2 ny eo amin’ny N1 B vehivavy.

Vondrona A : Cospn 2 Atsinanana, Crja Atsinanana, Cbbt Analamanga, Asf Analamanga, Fandrasa Matsiatra Ambony, Abbs Analanjirofo.

Vondroa B: Mb2All Analamanga, Ascut Atsinanana, Mega Atsinanana, As Emma Matsiatra Ambony, Ankaratra Vakinankaratra, Vbcm Betsiboka.

Ekipa 14 navondrona ho vondrona 4 kosa ny eo amin’ny sokajy U 20 zatovolahy.

Vondrona A : Cospn 2 Atsinanana, Dc Diana, Mb2All Analamanga, 2Bc Vakinakaratra.

Vondrona B : Ascb Boeny, Ascut Atsinanana, Bbca Alaotra Mangoro. Vondrona C : Fandrasa Matsiatra Ambony, Crjs Atsinanana, As Chicago  Diana, Jbc Atsimo Andrefana.

Vondrona D : Dtsc Analamanga, Squad Atsinanana, As St Pierre Alaotra Mangoro.

Marihana fa ao amin’ny kianja mitafon’i Soavita sy ao amin’ny Terrain Foyer Social Canada no hanatanterahana ny fifanintsanana rehetra ka miditra amin’ny andro faha-4 ny fifaninana amin’ity andron’ny talata 22 mey 2018 ity.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT