Sport

Basikety - Tompondakan’i Afrika Fiba 3 x 3 Amin’ny alakamisy izao no ho fantatra ny Malagasy 4


  • Talata 24 Oktobra 2017

Amin’ny alakamisy 26 oktobra 2017 no ho fantatra ireo mpilalao 4 hisolotena antsika Malagasy hiatrika ny ho tompondakan’i Afrika andiany voalohany eo amin’ny taranja basikety na ny Fiba 3 x 3 hotontosaina any Lomé Togo ny 3 ka hatramin’ny 5 novambra ho avy izao.

 

 Efa nanomboka tamin’ny alatsinainy 16 oktobra teo no niatrika ny fampivondronana teto Antananarivo ny mpilalao 6 voafidy ho “pré-sélectionnés” amin’izany dia i ARNOLD (2BC), AHMED (ASCB), ELLY (ASCB), RICKY (ASCB), FABRICE (GNBC), CLAUDIO (COSPN). Mazava ho azy fa ny 4 amin’izy enina mirahalahy ireo izany no handeha ho any Togo. Mba hisian’ny fanomanantena tsara mialoha ny lalao, hoy ny tale teknikan’ny federasion’ny Basket-Ball Razafiarivony Angelot,  dia tsara raha tonga mialoha any Togo ireo ekipantsika fa sady lavitra koa ny toerana. Fantatra ary fa ny sabotsy 28 oktobra izao hiala eto an-tanindrazana ny delegasiona Malagasy ahitana ny filoha mpitarika azy sy ny mpanazatra nasionaly, Randrianarivelo Jean de Dieu.

 

Razafed Zanany


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT