Sport

Basikety Tompondaka nasionaly N1 A Ny Cosfa sy ny As Victoire no hisantatra azy anio


  • Zoma 19 Oktobra 2018

Ny ekipan’ny Cosfa Analamanga sy ny As Victoire Boeny ao amin’ny vondrona B lehilahy no hisantatra ny fifanintsanana dingana faha-2 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja basikety sokajy N1 A lahy sy vavy

 

 

  anio zoma 19 oktobra etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina manomboka amin’ny 12:30 arahin’ny lalaon’ny Cosmos DIANA sy Mb2All Analamanga ( B) avy eo, dia ny fihaonan’ny Sebam sy ny Sbbc (A) ary hofaranan’ny fifandonan’ny Gnbc Vakinankaratra sy ny Cospn Analamanga (A) any amin’ny 17:45 any. Samy eo amin’ny sokajy lehilahy daholo ireo fihaonana ireo. Miditra an-tsehatra kosa ny sokajy vehivavy rahampitso sabotsy 20 oktobra izay hisian’ny lalao miisa 6 hotanterahina manomboka amin’ny 8:30 maraina sy hanatrehana ny fanokafana ofisialy ny fifaninanana any amin’ny 17:15 any ho any. Marihina fa ekipa lehilahy 14 no hifanandrina amin’ity fifaninanana ity izay haharitra hatramin’ny 28 oktobra izao taorian’ny nialan’ny ekipan’ny Abbs SAVA an-daharana tamin’ny ora farany. Miisa 12 kosa ireo ekipa vehivavy mandray anjara.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT