Sport

Basikety Tompondaka N1 B lehilahy Anio no hanatanterahana ny dinika teknika


  • Zoma 31 Mey 2019

Anio zoma 31 mey 2019 takariva no hanatanterahana, ao amin’ny hôtel Manimbolo Tsiroanomandidy, ny dinika teknika amin’ny fanatontosana ny fifaninanana basikety fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara

 

 

 sokajy N1 B  lehilahy hatao ao amin’ny kianja Bika sy ao amin’ny kianja ivelan’ny Ceg any Tsiroanomandidy, manomboka rahampitso sabotsy 01 jona ka hatramin’ny 09 jona 2019 ho avy izao.  Marihina fa ekipa 18 avy amin’ny ligim-paritry ny taranja basikety miisa 12 no voafidy handray anjara amin’ny fifaninanana. Nozaraina anaty vondrona 4 misy ekipa 5 avy dia ny ASM sy BCKB ary BCBVS avy any Bongolava, ny TMBB sy DTSC ary NGB avy eto Analamanga, ny MBC sy COSPN 2 avy any Atsinanana, ny SBC sy CBBU Vakinankaratra, ny BCF Amoron’i Mania, ny USF Matsiatra Ambony, ny ASB Itasy, ny JCM Atsimo Andrefana, ny Hff-Somava SAVA, ny AS DALTON V7V, ny FANALOLAHY Atsimo Andrefana ary ny BBCA avy any Alaotra Mangoro. Izay ekipa 4 voalohany tafavoaka amin’ny fifanintsanam-bondrona no hiatrika ny 1/8-dalana ary dia manomboka eo ny fihintsanana mivantan’izay resy. Ireo ekipa 3 voalohany amin’ny filaharana ofisialy amin’ity N1B 2019 ity no hiakatra N1A amin’ny taom-pilalaovana manaraka.

 

Ntsoavina Evariste

          

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT