Sport

Basikety sokajy U 16 Tompondaka ny ASCB Boeny sy ny FANDRASA Matsiatra Ambony


  • Talata 05 Septambra 2017

Ny ekipa zatovolahin’ny Ascb Boeny nandavo ny Ascut Atsinanana tamin’ny isa 76-53 tamin’ny famaranana sy ny ekipa zatovovavin’ny

 Fandrasa Matsiatra Ambony nandresy ny Mb2All 44-38 no voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara 2017 eo amin’ny taranja basikety baolina sokajy U 16. Lalao notontosaina tany amin’ny kianjan’Antamponivinany Ambositra tamin’ny alahady 3 septambra 2017. Ny Serasera Vakinankaratra nandresy ny Cospn2 Atsinanana 51-41 no nitana ny laharana faha-3 teo amin’ny zatovovavy rah any Dtsc Analamanga nandavo ny Asa Analamanga 44-43 no nitana izany laharana faha-3 izany teo amin’ny zatovolahy.
Hanitra N°14 Mb2All no zazavavy mpampidi-baolina be indrindra, nahatratra 119, raha i Jaoravo Olivier Fabrice N° 10 ASCB no nahafaty 141 teo amin’ny zazalahy. Voahosotra ho mpilalao mendriky ny fifaninanana kosa ny zatovovavy Rafiaferana Tiavisoa Fandrasa (Matsiatra Ambony) sy ny zatovolahy Tsarafeno Edito ASCB (Boeny).

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT