Sport

Basikety Sokajy U 12 Hanaovana fifaninanana nasionaly amin’ny 2019


  • Alatsinainy 03 Septambra 2018

Tao anatin’ny famaranana ny lalao basikety « Critérum U 12 » tetsy amin’ny kianja ivelan’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina omaly alahady 02 septambra no nanambaran’ny « Chef de mission du critérium U 12 2018 »,

 

 

Ramatoa Onja Soloharinivo, fa notapahan-dry zareo eo anivon’ny federasion’ny basikety baolina Malagasy misy azy fa hampidirina ao anatin’ny praograma hanatanterahana fifaninanana  nasionaly fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara koa ny sokajy U 12. Ankoatra an’ireo amboara sy loka marobe natolotry ny Telma mpanohana ofisialy ny taranja basikety tamin’ity critérium  U 12 2018 ity dia nisongadina koa ny fampilalaovana ireo katitakely nataon’ny mpanohana Okalou tao anatin’ny fifaninanana. Voahosotra ho tompondaka tamin’ity fifaninanana ity ny ASF Analamanga zazavavy nandresy ny Lucadro Analamanga 49-41.  Teo amin’ny zazalahy kosa dia tompon’ny amboara U 12 ny Mb2All Analamanga nandavo ny JSB Boeny 69-61. Laharana faha-3 avy ny ASBM V7V zazavavy sy ny Fandrefiala Analamanga. Mpilalao mendrika indrindra i Harena n° 12 ASF zazavavy sy Alex n° 10 Mb2All zazalahy.

 

Ntsoavina Evariste

                                                                                      

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT