Sport

Basikety sokajy N1A Tompondaka ny ASCUT sy ny MB2ALL


  • Alatsinainy 25 Janoary 2021

Norombahin’ny ASCUT Atsinanana ny anaram-boninahitra Tompondakan'i Madagasikara 2020 sokajy N1A lahy,

 

 

 


eo amin’ny taranja baolina kitra. Nandavo ny GNBC Analamanga ekipan’ny zandarimariam-pirenena tamin'ny isa 79 – 67 izy ireo teo amin’ny famaranana omaly. Niady tanteraka ny lalao, ka teo amin’ny ampahefa-potoana voalohany dia GNBC 16 – 16 ASCUT, faharoa : 16 – 23 ; fahatelo : 21 – 17 ; 1/4 fotoana : 14 – 23. Voahosotra ho laharana fahatelo kosa ny SEBAM Boeny rehefa nandavo ny Cosfa Analamanga tamin’ny isa tery 74-72. Ho an’ny sokajy vehivavy kosa dia norombahin’ny MB2ALL Analamanga rehefa lavon’izy ireo teo amin’ny isa 70-56 ny SBBC Boeny. Laharana fahatelo ho an’ny sokajy vehivavy kosa ny JEA Vakinankaratra rehefa nandresy ny COSPN 2 Atsinanana 53-50. Ho an’ny N1B sokajy vehivavy kosa, dia ny nandresy ny ASF 68-40 ny Fandrefiala. Fanaperana ny taom-pilalaovana 2020 moa no natao, izay nifarana omaly. Na teo aza ny fihibohana naharitra teto amin’ny firenena, hita fa velona tsara ny taranja basikety ary mahavelombolo ho amin’ny fifaninanana afrikanina ny lentan’ny teknika hananan’ireo mpilalao Malagasy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT