Sport

Basikety sokajy N1 A 2019 Tompondakan’i Madagasikara ny ASB Itasy


  • Alarobia 12 Jona 2019

Ny ekipan’ny ASB Itasy no voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara 2019 teo amin’ny taranja basikety lalaovin’olona 5 notontosaina tany Tsiroanomandidy.

 

 

 

 Resin’izy ireo tamin’ny 72-59 ny ekipan’ny  USF avy any Matsiatra Ambony teo amin’ny lalao famaranana notontosaina ny alahady 09 jona 2019 teo.  Ny ekipan’ny  TMBB Analamanga nandresy ny Mbc Atsinanana teo amin’ny lalao fiadian-toerana kosa no nitana ny laharana faha-3. Izy 3 voalohany ireo izany no miakatra ao amin’ny sokajy N1 A amin’ny taom-pilalaovana 2019/2020.
Ireo mpilalao nisongadina tamin’ny fifaninanana :
- Mpanazatra mendrika indrindra i Me Gerard (USF Matsiatra Ambony).
- Mpilalao mendrika indrindra i Fandrama Benoit Narcisse N°15 ASB Itasy
- Mpampidi-baolina mendriky ny dingana famaranana :  TSILEFITRA Jernil Claude N°9 MBC Atsinanana (65 Points).

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT