Sport

Basikety “Smatch-in” andiany fahavalo Tompondaka ny DEGS sy ny ENS


  • Alatsinainy 20 Mey 2019

Nafana ny lalao famaranana sokajy lehilahy, teo amin'ny DEGS sy SMIA.

 

 

Nisaraka tamin'ny isa 78-69 ny roa tonta ka nandrombaka fanintelony ny amboara ny ekipan'ny DEGS Ankatso (2012-2016-2019). Marihina fa ny ESMIA no nandrobaka ny amboara tamin'ny taon-dasa. Raha hiverenana ny lalao, somary ratsy fanombohana ny DEGS noho ny fahaverezam-baolina matetika. Ny ESMIA rahateo nanatombo teo amin'ny halavana. Na dia izany 17-15 no nisarahana teo amin'ny 10 minitra voalohany. Nanararaotra ireo hadisoana nisesy nataon'ny mpifanandrina taminy ny DEGS teo amin'ny telo minitra farany mialoha ny "mi-temps" ary nitarika 38-27. Nanjakan'ny DEGS tamin’ny alalan-dry Brandon lah. 23 ny lalao. Nitarika tamin'ny isa 64-41 ny DEGS teo amin’ny minitra fahatelo, ary tany amin'ny "quart-temps" farany, niezaka nanatratra ny isa ny ESMIA saingy ny DEGS no nivoaka mpandresy tamin'ny isa 78-69. Miverina eny Ankatso ny amboara smatch-in andiany faha-8. Teo amin'ny sokajy vehivavy dia ny ENS etsy Ampefiloha no nandrobaka izany tamin'ny isa 77-65 manoloana ny ESPA Vontovorona. Ho an’ny fifaninanana “Miss Mister” kosa dia Ny Fitahiantsoa avy amin’ny INSCAE sy Bajio Franck avy amin’ny UCM no mpandresy. Tonga nanome voninahitra ny hetsika ny Komity Olympika izay notarihan'i Rosa Rakotozafy.

 Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT