Sport

Basikety « SCHOOL TOURNAMENT 3x3 » Hanomboka anio sabotsy 26 mey etsy Mahamasina


  • Sabotsy 26 Mey 2018

Ekipa miisa 80 avy amin’ny fianarana 28 no handray anjara amin’ilay fifaninanana Basikety « School Tournament 3x3 » karakarain’ny Fmbb na ny Federasiona Malagasin’ny Basket-Ball.

 

 Nozaraina ho « zône » roa izy ireo ka ny andiany voalohany dia anio sabotsy 26 mey 2018 no hiatrika ny fifanintsanana etsy amin’ny kianja ivelany Mahamasina. Eo amin’ny U 18 G dia ahitana ekipa 12 nozaraina 4 « poules » x 3. Ny U 18 F dia ekipa 8 nozaraina roa « poules » x 4. Ny U 15 G dia ekipa 12 nozaraina 4 « poules » x 3 ary ny U 15 F misy ekipa 4 « poule » tokana. Ny andiany faharoa kosa dia amin’ny sabotsy heriny 2 jona no hiatrika ny fifanintsanana ka ny ekipa 6 voalohany avy amin’ireo dingana roa ireo no hiatrika ny dingana famaranana hotontosaina ny sabotsy 16 jona 2018.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT