Sport

Basikety N1 A Lahy sy Vavy Tompondaka 2019 ny Gnbc Vaknà sy Sbbc Boeny


  • Alatsinainy 16 Septambra 2019

Ny ekipa lehilahin’ny Gnbc vaknà nandresy ny Cospn Analamanga 67-65 teo amin’ny famaranana sy ny ekipa vehivan’ny Sbbc Boeny nandresy ny Mb2All A/manga 53-52 no

 

 

voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny taranja basikety baolina sokajy N1 A. Samy nahazo Amboara lehibe sy taratasim-bola mitentina 2.000.000 ariary avy izy ireo tamin’izany raha taratasim-bola 1.000.000 ariary avy kosa ny an’iretsy faharoa. Ny ekipa fahatelo avy kosa dia ny Ascut lehilahy sy Ankaratra vehivavy dia samy mbola notoloran’ny Telma 200.000 ariary avy. Ary ireo ekipa nitana ny laharana faha-4 lahy sy vavy aza mbola nahazo 100.000 ariary avy. Toy izany koa ireo mpilalao mendrika lahy sy vavy (Mory sy Sarobidy) ary ireo mpampidi-baolina be indrindra (Monja Romain sy Emerachine). Ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Tinoka Roberto no nitarika ny fanolorana an’ireo amboara rehetra ireo sy namarana ofisialy an’ity fifaninanana ity omaly tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina). Niavaka kosa ny fanoloran’ny Telma taratasim-bola nitentina 2.500.000 ariary an’izy 4 mirahalahy tompondakan’i Afrika 2019 teo amin’ny Basket 3 X 3.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT