Sport

Basikety Malagasy Tompondaka 2018 ny MB2All sy ny COSPN


  • Alatsinainy 29 Oktobra 2018

Nifarana tanteraka tamin’ny fanatanterahana an’ireo famaranana N1 A lahy sy vavy tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina omaly alahady 28 oktobra ny taom-pilalaovana 2018 ho an’ny taranja basikety baolina Malagasy.

 

 

 

 

Tafavoaka ho tompondakan’i Madagasikara N1 A  omaly ka samy nandray ny amboara sy taratasim-bola 2.000.000 ariary natolotry ny Telma ny MB2All Analamanga vehivavy nandresy ny Sbbc Boeny 63 -58 sy ny Cospn Analamanga lehilahy nandavo an’ny Ascb Boeny 75-57.

Voahosotra ho mpilalao mendrika indrindra i Miora n°9 (Mb2All vehivavy) sy I Livio n° 23 (Ascb lehilahy).

Voahosotra ho mpampidi-baolina be indrindra i Judith n° 12 (Fandrefiala vehivahy) sy Guy Steven n°5 (Cosfa lehilahy).

Filaharana ankapoben’ireo ekipa nandray anjara  tamin’ny dingana 1 sy dingana faha-2 tamin’ny fifaninanana nasionaly N1 A 2018 :

N1A Lehilahy

1°-Cospn Analamanga ;  2°-Ascb Boeny ; 3°-Cosmos DIANA ; 4°-Mb2All  Analamanga ; 5°- Ascu Atsinanana ; 6°-Cosfa Analamanga ; 7°-Gnbc Vakinankaratra : 8°Sebam Boeny ; 9-2Bc

N1A Vehivavy

1°-Mb2All Analamanga ; 2°-Sbbc Boeny ; 3°-Fandrefiala Analamanga ; 4°-Jea Analamanga ; 5°-Tamifa Amoron’i Mania  ; 6° Ascut Atsinanana ; 7°-Bc Est Atsimo Atsinanana ; 8°-Asa Analamanga ; 9°JSb Matsiatra Ambony

Ireo mivarina  N1B amin’ny taom-pialalaovana ho avy :

Lehilahy : Sbbc, Tmbb, As Victoire, Abbs ary Sporting.

Vehivavy : Crjs, Cbbotiv, Bcca.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT