Sport

Basikety Malagasy Raikitra manomboka ny 16 novambra izao ny tetikasa Junior NBA


  • Alakamisy 07 Novambra 2019

Nampahafantarina tetsy amin’ny “Chambre de commerce” tetsy Antaninarenina omaly alarobia 06 novambra 2019 ny manodidina

 

 

 

an’ilay tetikasa basikety Junior NBA hampiharina eto Madagasikara mandritra ny 4 taona sy ny praograman’ny fifaninanana taona voalohany ary ny fizarana ny anarana ekipana NBA hoentin'ireo ekipam-pianarana nekena handray anjara amin’ny hetsika fifaninanana taona voalohany. Nambaran’ny filohan’ny tetikasa, Tsimbina Andraina notronin’ny filohan’ny Fmbb, Ramaroson Jean Michel, fa amin’ny sabotsy 16 novambra 2019 ho avy izao no fotoana  hanokafana ofisialy an’ity tetikasa ity etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mamahasina ary koa hanombohana ofisialy ny fifaninanana andiany voalohany haharitra hatramin’ny volana martsa 2020.  Ekipa zazalahy 13-16 taona miisa 30 araka ny isan’ny ekipan’ny NBA no handray anjra amin’izany ary ekipa zazavavy miisa 24. Marihana fa ankoatra ny fampiroboroboana ny  basikety an-tsekoly ao anatin’ity tetikasa ity dia hisy ihany koa ny fanampiana ara-panabezana homena an’ireo ankizy misehatra azy toy ny fampianarana teny Anglisy, fampianarana fitendrena zava-maneno sy fanentanana an-kianja ary fampianarana fandihizana an-kianja ihany koa. Mahatratra 120 tapitra ariary ny tetibola hanombohana an’ity tetikasa ity.

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT