Basikety Ligin’Analamanga Raikitra ny Fiadiana ny ho tompondaka rejionaly N1B L

V sy U20L


  • Alarobia 20 Martsa 2019

Ho tontosaina amin’ny sabotsy 23 sy alahady 24 martsa 2019 ho avy izao, eny amin’ny kianja Fifakri Ilafy sy eny amin’ny kianja Arocaria Ilafy samy eny Avaradrano, ny fifanintsanana basikety fiadiana ny ho tompondaka rejionalin’Analamanga sokajy N 1B lahy sy vavy ary U 20 lehilahy.

 

 

 Ekipa 8 no handray anjara eo amin’ny N 1B lehilahy (Abb, Rd Bc, Jbm, Bj Team, Ngb, Ami, Challenger ary ny 105). Ekipa 6  kosa ny eo amin’ny N 1 B vehivavy (Mb2All, Ecbba, Lucadro, Bcsm, Asf ary Cbbt) ary ekipa 4 ireo ao amin’ny sokajy U 20 lehilahy (105, Ecbba, Bcna ary Abb). Samy hanomboka amin’ny 9 ora maraina avokoa ireo lalao  ho tanterahina eny amin’ny Fifakri  sy Arocaria ny sabotsy 23 martsa sy eny amin’ny Arocaria ny alahady 24 martsa. Nambaran’ny filohan’ity ligin’ny basikety eto Analamanga ity, Fidy Rasolomalala,  fa any amin’ny alahady 28 aprily 2019 no hanatanterahana ny dingana famaranana amin’ireo fifaninanana ireo.Heno koa etsy an-kilan’izany fa hanomboka anio ny fanadinana an-tsoratra (online) hiakarana  ho mpitsara iraisam-pirenena ho an’ireo mpiadina Malagasy 5 afaka tamin’ny “test physique”  notanterahina  tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina tamin’ny 10 martsa 2019 teo.

 

Ntsoavina Evariste

 



Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT