Sport

Basikety katita Malagasy Ny Critérium U12 no handimby ny Championat U14


  • Talata 28 Aogositra 2018

Nifarana ny alahady 26 aogositra teo tany Nosy-Be Hellville ny fiadiana ny ho tompondaka nasionalin’ny taranja basikety sokajy U 14 zazalahy sy zazavavy.

Tafavoka ho tompondaka tamin’izany teo amin’ny zazavavy ny Mb2All Analamanga nandresy ny CRJS Atsinanana 63-62. Laharana faha-3 ny JCBA Analamanga nandavo ny Sepa ABM Boeny 35-28. Tompondaka teo amin’ny sokajy zazalahy kosa ny DTSC Analamanga nandresy ny ASCUT Atsinanana 68-66. Laharana faha-3 kosa teo amin’ny zazalahy ny Mb2All nandavo ny JSB Boeny 63-39.

Handimby ny fifaninanana eo amin’ny basikety katitakely ny Critérium Analamanga U12 vavy sy lahy hotanterahina etsy amin’ny kianja ivelan’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny 29 aogositra ka hatramin’ny 02 septambra 2018 izao. Hatreto dia ekipa U12 zazavavy miisa 11 no efa nisoratra anarana handray anjara, efa mahatratra 30 kosa ny ao amin’ny sokajy U12 zazalahy.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT