Sport

Basikety Iraisam-pirenena Tafita amin’ny dingana manaraka avokoa ny ekipa Malagasy


  • Alatsinainy 04 Novambra 2019

Nandresy fanindroany indray tamin’ny zoma 01 novambra 2019, teo amin’ny fifanintsanana CCCOI “Coupe des Clubs Champions de l'Océan Indien

 

 

 

Basketball Féminine”,  notontosaina tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny SBBC Malagasy ka tafakatra hiatrika ny « Phase finale de la Coupe des Clubs Champion » hotontosaina eto Madagasikara amin’ny volana desambra 2019 ho avy izao miaraka amin’ny Mb2All vehivavy. Nomontsaniny 118-26 koa ny ekipa Pouzzolane avy any Comores.

Tapitra omaly alahady 03 novambra io ihany tetsy amin’ny “Parking” etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ihany ny fifaninanana basikety 3 x 3 nokarakarain’ny Zone 7 Afrika ho fampiroboroboana an’ity taranja ity ka tafavoaka ho mpandresy tamin’izany ny Sebam 2 vehivavy sy ny Tms lehilahy.

Mbola omaly alahady 03 novambra 2019 ihany koa no nifarana ny fifaninanana “Road To Bal” niarahana tamin’ny NBA ka ny vokatra farany azo dia : Usoni Bc (Com) 74 – 121Kpa (Ken)  ;  Cobra Sport (Ssd) 63 – 82 Gnbc (Mad). Tafita amin’ny Elite 16 amin’ity fifaninana ity ny Gnbc satria nitana ny laharana faha-2.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT