Sport

Basikety « Critérium national U12 » Nosokafana ofisialy omaly tetsy Mahamasina


  • Zoma 31 Aogositra 2018

Tetsy amin’ny kianja ivelany ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina omaly alakamisy 30 aogositra no nanokafan’ny talen’ny

 

Spaoro Federalin’ny minisiteran’ny fanatanjahantena Rakotozafy Rosa sy ny talem-paritry ny fanatanjahantena  Analamanga izay nisolotena ny minisitry ny tanora sy ny spaoro Malagasy ny fifaninanana basikety “Critérium national U 12”. Hisaorana ireo ligim-paritra 11 nanao izay ho afany nandefa solontena hiatrika an’ity fifaninanana ity, hoy i Rosa Rakotozafy, ka aoka hampanjakanareo kilonga milalao ny “Fair Play” fototr’itony fihaonana itony. Tsy fifaninanam-pirenena izy ity, hoy kosa Rasolomalala Fidy filohan’ny ligin’ny basikety eto Analamanga izay mpikarakara ny hetsika  fa fifaninanana natao indrindra kosa hampisongadinana ny talentan’ireo hoavin’ity taranja ity atsy ho atsy. Ekipa miisa 37, ekipa zazalahy 28 sy ekipa zazavavy 9 no handray anjara amin’ny fifaninanana hatramin’ny alahady izao ka efa miditra eo amin’ny andro faha-3 sahady ny hetsika anio tontolo andro ka lalao miisa 30 no hotanterahina eo amin’ireo kianja telo.

 

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT