Sport

Basikety CCCOI vehivavy Montsan’ny SBBC Madagascar 98 – 29 ny FUZ'ELLIPSE Mayotte


  • Alakamisy 31 Oktobra 2019

Tsara fanombohana ny mpilalao basikety Malagasy SBBC eo amin’ny fiatrehana ny fifaninanana CCCOI

“Coupe des Clubs Champions de l'Océan Indien Basketball Féminine” tontosaina ankehitriny etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina. Nomontsanin’izy ireo tamin’ny isa 98 – 29 ny vehivavin’ny FUZ'ELLIPSE avy any Mayotte omaly teo amin’ny andro voalohan’ity fifaninanana ity. Vao tany amin’ny “1er quart temps” dia efa nitarika alavitra 22 – 1 ny Sbbc.

Marihana fa mifanindran-dalana amin’ity fifaninanana ity koa ny fifaninanana “Road To Bal” sokajy lehilahy hiarahana amin’ny NBA ka handraisan’ny Gnbc Malagasy anjara. Anio alakamisy 31 oktobra ny andro faha-2 amin’ireo fifaninanana iraisam-pirenena roa ireo.

Rahampitso 01 novambra sy ny 02 ary 03 novambra 2019 kosa no hanatanterahana eo amin’ny “Parking” ivelan’ity lapa ity ny fifaninanana andiany faha-2 amin’ny “Edition Challenge  Zone 7 Basket 3X3”.

 

Ntsoavina Evariste

Sary Fair Play sy fahatsiarovana tetsy Mahamasina omaly

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT