Sport

Basikety CCCOI 2017 Niaiky ny vahiny, matihanina ny fikarakarana


  • Alakamisy 28 Septambra 2017

Mizotra amin’ny an-tsakany sy an-davany ny fifaninanana basikety baolina fiadiana ny ho tompondakan’ny Ranomasimbe Indiana 2017 na CCCOI 2017 tontosaina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina nanomboka ny sabotsy 23 septambra lasa teo,

hoy ny kolonely Zafisambo Ruphin filohan’ny komity mpikarakara. Nilaza ho afa-po tamin’ny fandraisana azy ireo ny delegasiona sy ireo ekipa rehetra avy any ivelany mandray anjara amin’ny fifaninanana, hoy ny tompon’andraikitra na teo amin’ny trano nipetrahana na teo amin’ny sakafo nohanina na teo amin’ny fiara fitaterana, indrindra ny fitandroana ny fandriampahalemana. Niavaka ny fitandroana ny fandriampahalemana satria nosahanin’ny matihanina dia ny orinasa VIGIE. Niavaka koa ny tapakila fidirana elektronika nampiasaina nampidirana olona.

 

Vokatra azo omaly alarobia 27 septambra :  

 

V : Tamifa (Mada)  62-67  Mb2All (Mada)

L : Real Basket Ball (Maurice)  80-95 Beau Vallon (Seychelles)

V : Fandrefiala (Mada)  109-39  Bcm (Mayottes)

L : Premium Cobras (Seychelles)  68-75 Gnbc (Mada)

L : Bcm (Mayottes) 75-87  Copn (Mada)

L : Ascut (Mada)  88-55  Tco (Mayottes)

 

Lalaon’ny sokajy vehivavy no ho hita etsy Mahamasina anio alakamisy 28 setambra :

 

12h00 -Bcm (Mayotte) # B Challenege (Seychelles)
14h00 -Tamifa (Mada)  #  Fandrefiala (Mada)

 

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT