Sport

Basikety Analamanga sokajy U 18 Tompondaka ny Mb2All vehivavy sy ny Dtsc lehilahy


  • Talata 24 Septambra 2019

Voahosotra ho tompondakan’ny taranja basikety sokajy U 18 vehivavy 2019 eto anivon’ny ligin’Analamanga ny ekipan’ny Mb2All vehivavy izay nandresy 51-42

ny Fandrefiala nihaona taminy teo amin’ny famaranana tamin’ny sabotsy 21 septambra 2019 teo tetsy amin’ny kianja Firaisan-kina 67 ha. Nitana ny laharana faha-3 teo amin’ity sokajy U 18 vehivavy ity ny ekipan’ny Lucadron nandavo ny ekipan’Akamasoa teo amin’ny lalao fiadian-toerana. Voahosotra ho tompondakan’ny sokajy U 18 lehilahy kosa ny Dtsc nampiondrikay ny Asa 63 – 38 teo amin’ny lalao famaranana. Nitana ny laharana faha-3 kosa ny Mb2All nandavo ny Soe 72-37 teo amin’ny fiadian-toerana. Any Toliara manomboka amin’ny 12 ka hatramin’ny 20 oktobra 2019 indray mifampitady manala-vela amin’ny Mb2All ny Fandrefiala vehivavy ary amin’ny Dtsc ny Asa amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka nasionalin’ny basikety sokajy U 18 ho tontosaina any an-toerana.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT