Sport

Basikety 3 x 3 Malagasy Hisy fanatsarana hatao, hoy i Rina Randrianarisoa


  • Zoma 23 Novambra 2018

Hisy fanatsarana maromaro hatao ato ho ato eo amin’ny sehatry ny Basket 3 x 3 eto amintsika, hoy i Rina Randrianarisoa tompon’andraikitra voalohany eo amin’ity sehatra ity.

 

Ao ny fananganana “ligue Elite Basket 3x3” sy ny fanovana ny raikipohy  (Formule) hitondrana an’ity fifaninanana ity izay hotanterahina aorian’ny fivoriana hotanterahin’ny FMBB “Federasion’ny Basikety Baolina Malagasy”, hoy izy. Hotadiavina koa izay fomba hampitomboana ny fifaninanana eo amin’ity Basket 3x3 ity  mba hampivoarana azy tanteraka.

Raha ny mikasika ny lalao Afrobasket 3x3 2018 andiany faha-2 notontosaina tany Lomé Togo farany teo ka nandraisan’ny ekipa Malagasy anjara azy, izay ny tenako no filohan’ny delegasiona Malagasy niatrika an’izany dia afaka milahatra tsara amin’ireo ekipa sangany aty Afrika ny mpilalao Malagasy na lava sy ranjanana ara-batana aza ry zareo. Ny tena nahavoa ny ekipa Malagasy sy ireo ekipam-pirenena rehetra niara-nihintsana tamintsika teo amin’ny 1/4-dalàna dia ny tsy fahombiazana teo amin’ny tifitra “2 points” tamin’ny ankapobeny.

 

Ntsoavina Evariste



Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT