Sport

Barean’i Madagasikara Tapitra ny fiantsoana mpilalao vaovao


  • Talata 07 Mey 2019

Hentitra ny fanapahan-kevitry ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra, Nicolas Dupuis, raha naneho hevitra momba ny fifantenana ireo mpilalao handrafitra farany ny Barean’i Madagasikara ny faran’ny herinandro teo.

 Tsy mihoatra ny 23 isa izany ireo mpilalao ho any Egipta ary ireo nandray anjara tamin’ny fahatafitana hiatrika ny tompondakan’i Afrika na ny CAN 2019 ihany  no hiarahany miasa aloha amin’ity. Tsy hanidy varavarana aho anefa, hoy hatrany i Nicolas Dupuis fa aleo aloha ho vita indray ny CAN. Efa volana mey isika izao ary amin’ny faran’ny volana no hosantarina ireo fanomanana rehetra ka aleo aloha hifantoka ireo efa eo. Ny 22 jona izao moa no hanomboka ny CAN izay hatao any Egipta.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT