Sport

Barean’i Madagasikara Roso ny dia handrombaka ny amboara


  • Alatsinainy 08 Jolay 2019

Miroso ny dia ho an’ny Barean’i Madagasikara amin’ny fametrahana tantara any amin’ny fifaninanana CAN 2019.

 

 

Nandresy an’i RDC  tamin’ny “tirs au but” 4-2 ny BAREA  taorian’ny fanalavam-potoana rehefa nisaraka ady sahala 2-2 ny roa tonta teo amin’ny 90 minitra ara-dalàna. Vao nanomboka ny lalao dia namezivezy baolina haingankaingana toy ny mahazatra azy ny mpilalaon’ny Barea ary nahita ny lalan’ny harato teo amin’ny minitra faha-9 tamin’ny alalan’ny daka tsara petraka nataon’i Ibrahim Samuel Amada. Nosahalain’ny Rdc tamin’ny baolina matin’i Cédric Bakambu teo amin’ny minitra  faha-21 izany.

 

Namono baolina Rakapy

Taorian’ny fialan-tsasatra dia nahafaty baolina tamin’ny “tête plongeante” nataon’i Faneva Ima teo amin’ny faha-77 minitra indray ny Barea ary niezaka nanidy trano ka nampiditra an’ilay mpilalao lavabe Dimitry Caloin mirefy 1,93 metatra ny Barea. Tany amin’ny minitra faha-90 anefa dia nahasahala ny isa tamin’ny “tête” nataon’i Chnacel Mbemba avy amin’ny daka an-jorony azony ny Rdc. Tao anatin’ny fanalavam-potoana dia hita ho nitaky ny harerahana ho an’ny Barea nefa ry zareo Rdc dia nanindry nanao fanafihana totoafo. Tao amin’ny androny sy nampiasa ny fahaizany tanteraka anefa ny mpiandry harato Malagasy, Melvin Adrien, ka dia tsy nahita hirika mihitsy ry zareo Congolais nefa dia nampitaintaina hatramin’ny farany ny lalaon’ny roa tonta. Miroso  koa ny dian’ny Barea handrombaka ny amboaran’ny CAN 2019 satria efa votsotra tanteraka teo am-pelatanan’i Cameroun tompondaka farany izay nahintsan’i Nigeria teo amin’ny ampahavlon-dalana ihany koa fa resiny 3-2 nazava tsara. Efa tsy eo intsony koa i Egypte izay noheverin’ny rehetra fa “favoris” tamin’ity CAN hatao any an-taniny ity nefa nailik’i Afrika Atsimo 1-0 koa.

Nibata fanindroany ny amboaran’ny “homme du match”i Abel Anicet Andrianantenaina tamin’ity lalao nihaonana tamin’ny Rdc ity.

 

Faly i Madagasikara

Hiakiaka tsy nifandrenesana tany amin’ny tanàna rehetra nanerana an’i Madagasikara taorian’ny nandavoana an’i Rdc iny, raikitra ny “carnaval” nanerana ny tanàna ary saika tsy nijanona ny korana raha tsy efa hadiva ho maraina ny andro. Tsy latsa-danja an’izany koa ny tany an-kianja Alexandrie Stadium niara-nikorana tamin’ny  Malagasy maro dia maro notarihan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina izay tsy nahatana ny hafaliana tanteraka tamin’iny fandresena manan-tantara azon’ny Barea  omaly iny.

Ny iray amin’izay mandresy amin’i Ghana sy Tunisie amin’ny ampahavalon-dalana hotanterahina anio alatsinainy 08 jolay any amin’ny kianjan’i Ismailia manomboka amin’ny 10 ora alina Malagasy no hihaona amintsika. Ny iray hafa hotanterahina anio  kosa dia ny fihaonan’i Mali sy Côte d’Ivoire hotanterahina any amin’ny kianjan’i Suez manomboka amin’ny 7 ora hariva Malagasy.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT