Sport

Barean’i Madagasikara Rava teo ny nofinofy samihafa


  • Alatsinainy 21 Aogositra 2017

Rava teo ny nofinofy samihafan’ny Barean’i Madagasikara dia ny mba handeha hiatrika ny dingana famaranan’ny CHAN 2018 any Kenya

sy ny fahazoan’ireo mpilalao tsirairay ny lelavola 50 tapitrisa ar nataon’ny Federasiona « Prime » ho azy ireo raha tafita ho any amin’io CHAN voalaza teo io, satria dia resin’ny Palancas Negras Angola tamin’ny isa 1-0 tany Luanda ny sabotsy 19 aogositra hariva teo, lalao izay narahin’ny mpitia baolina kitra nivantana tamin’ny onjam-peon’ny RNM. Baolina tafiditr’i Dany mpilalao Angoley teo amin’ny ministra faha-62 no niantoka io fandresen-dry zareo io taorian’ny penalty tsy matin-dry zareo teo amin’ny minitra faha-50. Mbola 0-0 anefa ny isa teny amin’ny tabilao tamin’ny fotoam-pialantsasatra. Raha ny marina dia nanjaka teo amin’ny afovoan’ny kianja ny Angoley ary mafy hidy koa ny azy ny vodilaharana ka tsy nahita mangirana mihitsy ry Njiva mbamin-dry Bela. Nateti-pihavy koa ny an-dry zareo ny fanafihana ka zary nandreraka an’ireo vodilaharana Malagasy notarihan’i Ando nony farany. Ambetin-dresaky ny mpanafy lalao baolina kitra taorian’ny fihainoana an’iny lalao tany Luanda iny ny hoe : “Ahiana mbola manjaka ny fomba ratsy amin’ny fifidianana mpilalao hiakatra kianja amin’ny ankapobeny” sa ireo mpanazatrantsika mifandimbindimby mandray an-tanana ny Barea no efa tsy maharaka ny fivoaran’ny famonoana baolina maoderina intsony ? Tokony nampiarahana hatrany ireo efa mahay miaraka ao amin’ity Barea ity, hoy ny maro, tahaka izany ohatra i Bila sy Bela, Nono sy Ndimby sns… fa tsy izay tian’ny mpanazatra ihany no tsy hesorina mihitsy na dia efa hita ho tsy mahomby aza. Tsy nety ve raha nafarana manokana indray na dia nandaniam-bola be aza i Dupuis nanazatra ireny Barea Chan ireny tahaka ny an-dry zareo Angoley ohatra dia vahiny no nanazatra azy ireo ? Ka eto am-pamaranana dia lazaina fa na inona na inona filaza mikasika iny lalao iny dia efa nihintsana fa resy ny Barean’i Madagasikara.

Ntsoavina Evariste

 


 



 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT