Sport

Barean’i Madagasikara Nihazakazaka ny fisandratany


  • Alakamisy 09 Janoary 2020

Nampitolagaga ny zava-bitan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barean’i Madagasikara tao anatin’ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika 2019 ho an’ny baolina kitra.

 

 

 

Fandraisana anjara voalohany kanefa dia nahatafakatra azy tamin’ny ampahefa-dalanasahady rehefa nahazo fandresena 3 sy sahala 1 tao anatin’ny lalao 4 nataony. Mbola niampy fandresena miisa roa niezinezina ihany koa izany tao anatin’ny fifanintsanana hahazoana ny tapakila ahafahana mandray anjara amin’ny CAN 2021 rehefa avy nandresy 1 noho 0 ny ekipa etiopianina tetsy Mahamasina sy nanamontsana ny ekipam-pirenen’i Niger tao amin’ny taniny tamin’ny isa 6 noho 2 be izao. Tafiditra ao anatin’ireo ekipam-pirenena 3 tsara indrindra aty Afrika, noho izany ny Barea, noho ireo ezaka nampitolagaga vitany tamin’iny taon-dasa iny, raha ny filaharana nametrahan’ny kaonfederasionina afrikanina na ny CAF azy. Marihina moa fa ny tompondakan’i Afrika farany teo dia ny ekipam-pirenen’i Alzeria no nibata ny amboara ary ny tompondaka lefitra na ry zareo senegaley no faharoa raha toa ka isika malagasy kosa no fahatelo. Nihazakazaka, araka izany, ny fisandratan’ny ekipam-pirenena malagasy izay narary nandritry ny taona maro ary antenaina fa mbola ho betsaka ihany koa ireo zava-bita hampitolagaga ho tontosan’ny Barea amin’ity taona ity.

J. Mirija

 

.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT