Barean’i Madagasikara

Nidina ny lentan’ny fahaizana


  • Zoma 05 Aprily 2024

Nidina ny lentan’ny fahaizana, izany hoe, lasa satroka faha 3 na «Chapeau 3»

no misy ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra taorian’ny faharesena 0 noho 2 nanoloana ny ekipam-pirenen’i Rwanda tetsy Mahamasina farany teo. Lasan’i Kenya ny toerantsika tao amin’ny «Chapeau 2», raha ny fampitam-baovao voaray teo anivon’ny Federasionina iraisampirenena na FIFA omaly. Fisarihana ho an’ny tompondakan’i Afrika manaraka na CAN 2025 moa eto no resaka, raha ny fanazavana voaray. Mbola faha 109 eo amin’ny filaharana maneran-tany na izany aza no misy ny Barea. Faha 24 aty Afrika isika tamin'ny filaharana ny martsa teo, izany hoe farany amin'ny «Chapeau 2» izao lasa voalohany amin'ny «Chapeau 3» na faha 25. Hifanena amin'ny «Chapeau 1» sy «Chapeau 2» izany isika amin'ny fifanintsanana manaraka. Toy izao manaraka izao, raha tsiahivina izany, ny filaharana isaky ny satroka. Ao amin’ny «Chapeau 1» i Maraoka, Senegal, Nizeria, Ejipta, Cote d’Ivoire, Tonizia, Alzeria, Mali, Kameronina, Afrika atsimo, Borkina faso, RDC. Ao amin’i «Chapeau 2» i Cap vert, Ghana, Guinée, Guinée équatorial, Gabon, Zambie, Ouganda, Angola, Benin, Mauritania, Namibia ary i Kenya izay faha 107 eo amin’ny filaharana maneran-tany, izany hoe nahazo toerana miisa 4. Mitarika ny «Chapeau 3» i Madagasikara izay arahan’i Mozambika, Kongo, Togo, Libia, Guinée Bisseau, Kaomoro, Tanzania, Zimbabwe, Malawi, Sierra Leone, Soudan.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT