Sport

Barean’i Madagasikara Niantso mpilalao vaovao roa i Nicolas Dupuis


  • Zoma 23 Oktobra 2020

Nampahafantarin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea an’i Madagasikara, ireo mpilalao 25 lahy hantsoina hiatrika ny fampivondronana eto Madagasikara, hifantenana ireo 23 voatana farany handrafitra ny ekipam-pirenena hiatrika ireo lalao mandroso sy miverina hihaonan’ny Barea amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire amin’ny tapaky ny volana novambra ho avy io.

 

 

 Niantso mpilalao iray avy eto an-toerana, Nina Razakanirina izay mpiandry haraton’ny klioba Fosa Junior i Nicolas Dupuis. Mpilalao mpila ravinahitra ireo 24 ambiny. Vao sambany vao hiditra Barea ny roa amin’ireo dia i Loic Papoussin, irakiraka milalao any Belzika sy i Mathias Randriamamy, mpiandry harato, vao 17 taona, milalao any amin’ny Paris Saint Germain - Frantsa. Ireo mpilalao nantsoina :

MPIANDRY HARATO : Melvin Adrien, Nina Razakanirina ary Mathias Randriamamy.

VODILAHARANA : Jeremy Morel, Thomas Fontaine, Jerome Mombris, Sylvio Ouassiero, Pascal Razakanantenaina, Romain Metanire, Rayan Raveloson.

IRAKIRAKA : Abel Anicet, Ibrahim Amada, Marco Ilaimaharitra, Hery Bastien, Zotsara Randriambololona, Dimitry Caloin, Dax Arohasina Andrianarimanana, Loic Lapoussin ary Lalaina Nomenjanahary na Bolida.

MPANAFIKA : Voavy Paulin, Carolus Andriamahitsinoro, Hakim Abdallah, William Gros, Njiva Rakotoharimalala ary Alexandre Ramalingom. Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT