Sport

Barean’i Madagasikara Nanaiky ny fiantsoana azy i Faneva Ima


  • Alatsinainy 08 Martsa 2021

Namaly ofisialy ny fiantsoan’ny mpanazatra Nicolas Dupuis azy manokana, hiverina hanatevin-daharana ny

 

 

 Barean’i Madagasikara i Faneva Ima, kapitenin’ny ekipam-pirenena teo aloha. « Rehefa avy nifandinika tamin’ireo Ray aman-dReniko sy ny vady aman-janako, noho ny antson’ny mpanazatra sy ny mpitantana ny baolina kitra Malagasy (FMF) izay tsy nampoiziko, dia ampanetren-tena lehibe sy am-pitiavana no anolorako tànana ho an’ireo mpilalao Malagasy tanora sy mendrika mba hiara-hifarimbona sy hifanome hery mba hahazoan’i Madagasikara indray ny fiakarana amin’ny CAN 2022 », hoy i Faneva Ima. Naneho izy fa vonona amin’izay andraikitra hampiandraketina aminy, ary Barea mandrakizay. Hery lehibe ho an’ny Barea ny fisian’ity kapiteny teo aloha, isan’ny nitondra anjara biriky betsaka ho an’ny ekipam-pirenena ity.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT