Sport

Barean’i Madagasikara Nahazo 700 tapitrisa ariary


  • Talata 11 Jona 2019

Feno dia feno ny fandaharam-potoanan’ny Barean’i Madagasikara mandalo eto Madagasikara ankehitriny.

 

 

Tamin’ny alahady vao mangiran-dratsy (3 ora maraina) no nigadona teto an-tanindrazana izy ireo mialoha ny handehanany hiofana faramparany any Maroc ary ho any Egypte avy eo. Tetsy amin'ny kianjan'ny Akamasoa Foot-Ball Club no toerana natokan'ny filoham-pirenena, Andry Nirina Rajoelina, nandraisana sy nanomezana tso-drano ny Barea tamin’ny tolakandron’io andro alahady io. Novalian'ny filoha ny hetahetan'ny Barea nampitainy tamin’ny minisitry ny tanora sy fanatanjahantena, Tinoka Roberto, ka nanolorany taratasim-bola mitentina 700.000.000 ariary azy ireo. Nilaza ny kapiteny Faneva Ima fa : «Hitondra avo ny voninahi-pirenena ary hanao ny ainay tsy hoy zavatra izahay». Nanome fanampiana ny Barea ihany koa ny masoivohon'i Korea Atsimo eto amintsika, SEM LIM Sang Woo tamin’io ary mbola nanolotra baolina ho an’ny Barea koa tetsy Mahamasina omaly alatsinainy 10 jona 2019. Notoloran’ny minisitry ny tanora sy fanatanjahantena  Malagasy ny sainam-pirenena hoentin-dry zareo any Egypta araka ny tolo-kevitry ny filoham-pirenena koa ny Barea omaly.  Vahiny manokan’ny TVM izy ireo ny alin’ny alahady 09  jona. Omaly alatsinainy 10 aogositra maraina kosa teny amin’ny  Leader Price Tanjombato sy tetsy Mahamasina ny tolakandro dia nisy ny fanaovan’ireo mpilalaon’ny Barea sonia ny « maillot » novidian’ny olona sy ny sary fahatsiarovana azy ireo « dédicace ».  Ny fanaovana fanazarantena teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus tetsy Dorodosy/Ambohijanaka no namaranan’izy ireo ny tapakandro maraina omaly ary ny fitsidihana an’ireo ankizy hiharan’ny herisetra tetsy amin’ny Bmh Isotry kosa no nanombohany ny fiandohan’ny tolakandro. Ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety sy fiarahana maka sary amin’ny Club de Partenaires no hamarana ny dian’izy ireo anio talata 11 jona.  

 

Tsara ho fantatra fa handeha mivantana amin’ny TVM ny lalao miisa 52 mandritra ny CAN 2019 satria efa naloan’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny Serasera ny saram-pampitana mitentina 500 000 euros taorian’ny adivarotra natao nandritra ny iray volana sy tapany.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT