Sport

Barean’i Madagasikara Misy tompom-baolina tsy maintsy hajoro ve ?


  • Alarobia 08 Septambra 2021

Lavon’ny Taifas Stars Tanzaniana tamin’ny isa 3-2 indray ny ekipam-pirenena Malagasy omaly tany amin’ny Kianja Benjamin Mkapa ao Dar Es Salaam,

lalao faharoa amin’ny fifanintsanan’ny Mondial 2022. Vao fanafihana voalohany Tanzaniana no nisy fahadisoana tao anaty faritra tsy azo ivalozana, teo amin’ny faha-13 segaondra, ka nahazo penalty nodakan’I Edward Nyoni vao iray minitra nilalaovana dia efa nitarika 1-0 ny mpampiantrano. Niampy iray indray teo amin’ny minitra faha-26, rehefa votsitra avy tao afovoan-kianja ny baolina, ka matin’I Miroshi. Nanova zavatra ny fampidirana an’I Njiva rehefa nesorina I Lalaina tany amin’ny faha-30 minitra. Nampiakatra ny herijikan’ny Malagasy io, ka totoafo hatrany ny fanafihana, ka nahatafidirany baolina iray ny minitra faha-36. Voadona teo ivelan’ny faritra tsy azo ivalozana kosa I Hakim Abdallah teo amin’ny minitra faha-45 ka nahazo “coup franc” nodakan’I Thomas Fontaine isika, izay maty soamantsara. 2-2 ny isa nisarahana teo am-pialana sasatra. Nanampy isa indray ny mpampiantrano ny faha-52, azo niadian-kevitra satria nisy mpilalaon’izy ireo namingana an’I Melvin izay tsy afaka tena nanenjika ny baolina. Niezaka nanafika ny Malagasy, nanala an’i Bastien ary nampiditra an’I Paulin, nanala Anicet nosoloina an’i Ahmada, nesorina i Lapoussin ary nampidirina I Ramalingom, tany amin’ny minitra faha-75 no nampidirina i Carolus ary nerina I Mombris. Hita ho nitongilana tany amin’ny Tanzaniana ny mpitsara, toy ny hoe: fanafihana ho antsika no manao fahadisoana ny Tanzanianina saingy tsofina kanefa “avantage”. Betsaka ihany koa ny fahadisoana azontsika tsy notsofina. Faha-4 farany ao amin’ny Vondrona J isika hatreto, voalohany I Tanzanie manana isa 4, faha-2 manana isa 4 toa azy I Bénin, fahatelo I RD Congo manana isa 2. Samy naka isa 3 avy tamintsika I Bénin sy Tanzanie hatreto!
MISY TOMPOM-BAOLINA ?
Azo lazaina ho tsara ny endri-dalao nasehon’ny Malagasy omaly, tafiditra tsara tao anatin’ny lalao tamin’ny ankampobeny, ary nirindra tsara mitaha ny lalao nanoloana an’I Bénin. Isaorana ny mpilalao sy ny mpanazatra izany! Nampiova ny nanomezana fitokisana an’I Hery Bastien izay afaka tena nandrindra ny lalao teo ambony kianja, somary reraka ihany anefa izy satria tsikaritra ho toa malemilemy sy verezin’ny mpifanandrina hatrany I Abel Anicet Kapiteny. Mbola misy lesoka be matoa resy ka ankoatra ny olana ara-pitantanana sy ara-politika iaraha-mahalala dia eo ihany koa ny ara-teknika. Misy tompom-baolina tsy maintsy hajoro ve? Sanatria ny hanakiana be fahatany, fa miainga amin’ny fanehoan-kevitry ny tekknisianina dia azo iadian-kevitra ny momba ny kapiteny Abel Anicet N°13, izay tsy tena mahavita firy sy tsy ao anatin’ny heriny hatreto kanefa kapiteny sy indraindrain’ny Filoha ve dia tsy maintsy hajoro? Mety olana ny tsy fananany klioba sy ny tsy fahampian’ny lalao kanefa mitazona ny toerana maha kapiteny hatrany? Tsy misy azo hasolo azy ve na vonjimaika aza? Tena mbola mendrika ho tompon-toerana ve I Melvin izay nahatafidirana baolina 8 be izao tao anatin’ny lalao 4 farany nataony? Manary baolina sy “occasion” maro I Hakim Abdallah ary efa lesoka tamin’ny fifanintsanan’ny CAN kanefa 90 minitra tsy soloina,… Lasa simba ny ezaky ny mpilalao rehetra! Mila manana safidy amin’ny vodilaharana ihany koa isika ary mila manomana mpandimby ny sasany. Tokony efa homena fitokisana sy zarina homena lalao ihany koa ireo boaikely na ho resy 10-0 aza satria tena mila mamboatra sy manomana isika, ary ny mitsinjo lavitra kokoa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT