Sport

Barean’i Madagasikara Misy antenaina koa ireo milalao ao Belzika


  • Talata 16 Martsa 2021

Mivoatra be koa ankehitriny ny haavo tekinika na “performance” an'i Loïc Lapoussin,

 

 

 

 izay vao 24 taona monja, milalao ao amin’ny Royal union saint Gilloise, divizionina faharoa ao Belzika. Mitarika lavitra be eo amin’ny fifaninanam-pirenena ho an’ny divizionina faharoa ao an-toerana amin’ny isa 59 ankehitriny ny Saint Gilloise manoloana ny faharoa dia ny Seraing, izay tsy manana afa-tsy isa 39. Taorian’ny fandresena tamin’ny isa 2 noho 1 ny alahady teo, noho izany, dia tsy misy iadian-kevitra ny maha tompondaka ny ekipan’ity irakiraka afovoany Malagasy ity ary mazava ho azy fa hiakatra ao amin’ny fifaninanana ho an’ny divizionina voalohany dia ny Jupiler Pro League izy ireo. Mitana ny laharana fahatelo ao an-toerana amin’ny fahazoana anaram-boninahitra betsaka indrindra aorian' ny Anderlecht sy ny FC Brudges koa ankoatran’izay ity ekipany ity. Izany hoe mbola marobe ireo ekipa ao amin’ny divizionina voalohany tsy maharaka azy amin’izay lafiny izay. Misy antenaina koa, araka izany, ireo Barean’I Madagasikara milalao ao Belzika, izay samy avokavoky ny ekipam-pirenena, satria dia mbola ao amin’ny tanjany tanteraka ihany koa I Marco Ilaimaharitra, 25 taona, milalao ao amin’ny divizionina belza hatrany dia ny Royal Charleroi Sporting Club.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT