Sport

Barean’i Madagasikara Mila mandresy an’i Maoritania


  • Alarobia 12 Jona 2019

10 andro katroka sisa dia hiatrika ny lalaony voalohany ao anatin’ny dingan’ny famaranan’ny tompondakan’I Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra ny ekipam-pirenena Malagasy.

 

Mialoha izay, tsy azo tsinontsiniavina ihany koa ny lalao fitsapana farany hifanandrinan’ny Barean’i Madagasikara amin’i Maoritania hatao atsy Maraoka afaka 2 andro. Anio no nanomboka ny famondronana faharoa sady farany azy 24 mirahalahy hoentina atsy Egypta ny 20 jona izao. Raha tiana ny hahatoky tena kokoa dia mila mandresy ity ekipam-pirenen’i Maoritania ity isika ny 14 jona izao. Mikaonty amin’ny filaharan’ny FIFA rahateo ny lalao ka mila arenina ireo faharesena 3 taorian’ny nahatafakatra antsika. Ry zareo Maoritanianina moa dia anisan’ny mpandray anjara amin’ity CAN 2019 atsy Egipta manomboka ny 21 jona izao ity.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT