Sport

Barean’i Madagasikara Miainga aloha ny rivo-baovao


  • Talata 20 Jona 2023

Tsy tonga lafatra ny lalao nasehon’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea nanoloana Black star avy atsy Ghana ny alahady teo.

Tsara lavitra noho ny hita farany kosa anefa ny endri-dalaon’ireo mahery fon’ny firenena niaro ny loko maitso, fotsy, mena. Miainga aloha ny rivo-baovao ary hita ho nanana faharesen-dahatra na hoe «motivé» lavitra noho ireo voaantso farany tamin’ny andron’ny mpanazatra teo aloha, Nicolas Dupuis, ireo voaantso tamin’ity fampivondronana voalohany niaraka tamin’ny mpanazatra vaovao, Romuald Rakotondrabe na Rôrô ity. Tonga hatramin’ireo tsy nantsoina aza ary nidongy mba hiaraka hanao fanazarantena mihitsy ny sasany. Raha ny fanazavan’ny mpanazatra moa dia nohararaotina nojerena ihany ny vaika na «performance» an’ireny «nilatsaka an-tsitrapo» ireny ary niankina tamin’izay no nampijoroana na tsia azy ireo teny an-kianja. Tsy iza ireo fa ry Ibrahim Amada sy Donga ary Carolus Andrea. Ireny moa no vokany ary inoana fa hiha tsara kokoa izany manoloana ny fihaonana farany ao anatin’ity fiadiana tapakila ho any amin’ny CAN 2023 ity izay hihaonana amin’i Angola na dia isika efa raraka aza. Efa ho eo rahateo izany ireo heverina fa andry ao afovoany dia ry Marco Ilaimaharitra sy Rayan Raveloson, izay efa tonga nanotrona ny namany tetsy Mahamasina ny alahady teo, fa isan’ny tena andrandraina ihany koa ireo mpanetsiketsika ny lohalaharana sy fampidiram-baolina toa an-dry Loic Lapoussin sy Arnaud.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT