Barean’i Madagasikara

Mbola andrasana ireo andrarezina


  • Talata 18 Martsa 2025

Efa miatrana any Casablanca, Maroc ny ampahany amin’ny Barea.

Ny staff izay tena mavesatra aloha dia efa any saingy ireo mpilalao heverina ho tena tompon-toerana no mbola tsy hita tabilao afatsy i Mathieu Acapandié ilay vodilaharana havanana amin'ny FC Nantes. Efa tonga any koa anefa i Jean Pierre Morgan ilay vodilaharana havia miampy an'i Clément Couturier izay mipetraka ho rindrina voalohany raha ny fanazarantena omaly. Efa nijoro koa anefa I Tommy Iva eo afovoany saingy ho sarotra ny ahazoany toerana raha tonga ihany ny henjana toa an'i Rayan Raveloson sy Marco Ilaimaharitra. Mbola tsy any Casablanca mantsy izy roalahy ireto ary toa izany koa ilay mpilalao so amin'ny EA Guingamp, Samuel Noireau Dauriat. Mbola isan'ireo tsy tonga koa I Loic Lapoussin sy Marcellin Harrison. Ity farany moa no tena antenaina hanidy trano satria dia mirefy 1m 96 izy nefa mbola vao 25 taona monja ary tena voky traikefa satria efa ekipa frantsay font izy 19 sy 20 taona sry efa nilalao tap Auxerre sy Monaco. Mety ho tsara raha miaraka amin'i Thomas Fontaine ity Marcellin Harrison ity eny fa na dia mifanolo amin'i Berajo aza. Mbola andrasana koa I Nijva sy Baggio avy any Thailande. Asa aloha izay mety hajoron'i Corentin Martins eo fa na Izany aza dia mbola manana an'i Andry Hildecoeur Dekera izy hanoro mikasika ireo toto-tanana miendrika ny hijoro.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT